<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Midina, ry Fanahy ô !
 Midira ao anaty fo,
 Ampio ny mihafy,
 Fa Hianao no Mpanome
 Ny to sy fahazavana be ;
 Ny vavanay sokafy
 Izao, hanao
 Saotra tsara, hanambara
 Ny Mpamonjy,
 Fa satria voavonjy.

[V2]
 Ka raha re ny teninao,
 Dia mba avia, hazavao
 Ny hevitry ny teny ;
 Mba ambarao aminay
 Ny fomban'ny Mpanavotray,
 Lazao ny famonjeny,
 Izahay, izay
 Vory eto, andreheto
 Jiron'aina,
 Hialan'ny aizin-tsaina !

[V3]
 Ny maizina onenanay,
 Tsy mety afaka aminay,
 Ka tena mahavery,
 Raha Hianao tsy tonga izao
 Mitondra filazam-baovao
 Sy toky mampahery ;
 Ovay izahay,
 Hamasino ny te-hino
 Ampidiro
 Eto aminay ny jiro.

[V4]
 Mba hafanao re izahay,
 Ampio hitiavanay
 Indrindra ny Mpamonjy,
 Ny rany mba ho avotray,
 Ny didiny harahinay,
 Hananay ny vonjy,
 Jeso, Jeso
 No torio sy bitsiho
 Ao an-tsainay,
 Mba hamelona ny ainay.</lyrics>
<title>Midina, ry Fanahy o! FFPM183</title>
<hymn_number>183</hymn_number>
<author>Ph. Nicolai</author>
</song>